<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>A. Rakotovao</author>
<hymn_number>100</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Moa mba efa misy va
 Fahoriana toy izao !
 Jeso 'Lay Mpanisy soa,
 Tompo sy Mpanjaka koa
 Entina tsy meloka,
 Entina any Kalvary ?

[V2]
 He, ny lanivoany
 Voatsindron-defona !
 Tongotra aman-tanany
 Voafantsika avokoa,
 Eny, fa ny ainy koa,
 Foiny tany Kalvary.

[V3]
 Mafy 'zay ry Jeso ô !
 Mafy nefa zakanao,
 Ny fitiavanao anay !
 No niaretanao izay
 Menatra aho, Jeso ô
 Raha hadino Kalvary.

[V4]
 Taomy aho Jeso ô !
 Mba ho any Kalvary,
 Ka ny foko tsy madio
 Mba diovinao anio !
 Ento aho, Jeso ô !
 Ento any Kalvary.</lyrics>
<title>Moa mba efa nisy va fahoriana toy izao? FFPM100</title>
</song>